Embona sy Hanina (Mahaleo)

Hiran'i Mahaleo rehetra: Mahaleo 

Tonony 1
C      Em       Fmaj7
Embona  sy_hanina
     G           C
Tsy hay mahafanina
  Am           Dm
Ngoly ny fo mamelovelo
G                C
 Madisadisan’alahelo

      C     Em    Fmaj7
Ny havoana tazanina
     G            C
Tsy hita ho dinganina
    Am               Dm
Fa_lavitra loatra ianao ka tsy tratra
G                        C
 Ny aina marary ny fo maratra

     Fiverenana
           Am                     Dm
     Fa ny antsoko ny_akony_no_mitampody 
            G                          C      
     Mba hihiaka mafy anie_aho_fa_tsy_tody 
       C7                 Fmaj7
     Izay..jerena_toa_manjavozavo 
            G         C
     Tako-drahona sy vohitra avo

           Am                Dm
     Fa mahery sy masiaka ny onja 
            G                  C      
     Tsisy lakana afaka hitondra 
         C7                Fmaj7
     Ny maso no alefa maminany 
        G                  C
     Hibanjina anao any ho any

Solo
C Em Dm  G   C (2x)
C-G-F-G-C

Tonony 2
  C      Em   Fmaj7
Alahelo sy toloko
      G            C
Raha vao injay tsaroako
    Am           Dm
Fa noho ny hasomparan’ny tany
G                        C
 Izaho aty ianao lavitra any

    C       Em         Fmaj7
Tsy azo hiadiana ny anjara
       G                       C
’Zay ngamba no noheveriny_ho_tsara
  Am                      Dm
Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
G                       C
 Na dia mangidy mavesatra

     Fiverenana
           Am                  Dm
     Fa ny ahy dia_fitia_tena_marina
      G                       C      
     Na anaty onaona_aza_ho_tafarina 
      C7                   Fmaj7
     Na halevina mety mandifotr'olona
        G                     C
     Hiposaka haniry hamololona

              Am                     Dm
     Ny_hany hafatro dia ny_hoe_matokia 
          G                         C      
     Fa izaho tsy hitsahatra ny_ho_tia 
             C7                Fmaj7
     Tsy_ny halavirana tsy ny taona 
             G                       C
     No hahasakana ny fotsika tsy hihaona

Solo Famaranana
C Em F  G   C (2x)
C-G-F-G-C

Leave a comment

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.